Fizotry ny asa
Efa vita tanteraka ny fananganana ny rindrina amin'ny ambany rihan'ny trano izay hataontsika tsangam-bato sy ny fanambanin'ny rihana ambony (plancher).

Izany no tontosa dia noho ny fiarahantsika rehetra mientana, ka tolorana fisaorana feno fankasitrahana ireo rehetra nanolo-tanana tamin'ny fanolorana fanomezana, nandany andro sy fotoana ary vola aman-karena ka nahatongavana amin'izao dingana izao.


Tsarovantsika eto hatramin'ny fandravana ilay trano niorina teo taloha,

Ny niarahan'ny mpiara-mivavaka nitaona ny biriky sy ny fanalana ireo ranon-tany teo,

Tsy hay hadinoina ihany koa anefa ny fahatongavana marobe, sy ny fifandaminan'ny maro nandritra ny fanaovana ny béton tamin'ny niakaran'ny rihana,

Ireny fikelezana aina sy fahafoizan-tena lehibe ireny anie dia ho rakitra ho voatahiry mandrakizay any an-danitra .

Fifaliana ho an'ny Komitin'ny faha 145 taonan'ny FJKM Ambatototkana Fitiavana ny milaza amintsika fa vita tanteraka ny rihana ambany amin'ny akany nataontsika.
Tontosa soa aman-tsara ihany koa ny Sakafo nokarakaraina tao amin'ny Fanj'Espace ny alahady 27 martsa 2011 lasa teo.
Ny fotoana ifanomezantsika manaraka dia amin'ny fotoam-bokatra 08 mey 2011 ka amin'io no ahazoantsika rehetra manatri-maso ireo zava-bitantsika sy ny mbola miandry antsika.
Alao hery àry,




 
VOKA-DEHIBE
 
Ampahatsiahivina isika fa amin'ny


ALAHADY 12 may 2012

no fotoana ifanomezantsika hanatanterahana ny

VOKA-DEHIBE VOALOHANY

eto Ambatotokana Fitiavana

marihana fa amin'ny 8 ora sy sasany no fanombohan'ny fotoana
TSARA HOTADIDY
 

ANDRO NIAKARANA

Alakamisy 17 may 2012

« fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.  »
(Jaona 14:26)

-----------------------------

PENTEKOSTA 2011

Alahady 27 may 2012

« Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy. »
(Asan'ny Apostoly 1:9)

-----------------------------

Manomboka amin'ny valo ora sy sasany ny fotoam-pivavahana amin'ireo fotoan-dehibe,

Fa amin'ny sivy ora sy sasany isan'alahady

 
Ianao no mpitsidika faha 5 Visiteurs anio