Fandraisana

 

MANDEHANA AMIN'NY FITIAVANA...
IANAREO NO VAVOLOMBELOKO

Efesiana 5:2a - Isaia 43:10a
 

Tonga eo amin'ny lala-mahitsy farany amin'ny Fankalazana ny faha 145 taonany izao ny Fiangonana FJKM Ambatotokana Fitiavana.

Raha atao ny tomban'ezaka dia mahafaly no azo ilazana ny vokatra satriaa dia vita soa aman-tsara ny Akany izay nilofosantsika mianakavy, 
Raha tsiahivina kely dia teo isika no nampiseho finiavana, fandavan-tena, nandany vola aman-karena, nandany andro sy nahafoizana zavatra maro hafa,... ary indrindra indrindra teo no nifanehoantsika fifankatiavana.
Tsy hay hadinoina anefa fa nandalo fotoan-tsarotra isika nandritra ny fotoana fananganana io trano io, teo ny dingana nolalovan'ny firenena izay nisy fiantraikany be dia be tamin'ny vahoaka malagasy, ary tamintsika zanak'Ambatotokana satria dia namoizantsika an'i Pasteur Ranaivo Rivo Arison izay niaraka tamintsika tokoa tamin'ny fanombohana ny asa, namoizantsika ihany koa an'Ingahy Ravoavahy Gabriel izay ray amandreny lehibe teto amintsika koa ary isan'ireo voalohany nanoina ny antso raha nila fanampiana ny Komintin'ny faha 145 taona.

Nanohanantsika ny asa tao anatin'izay fotoana fananganana izay dia nanao hetsika maromaro isika toy :
- ny fivarotana Tshirt misy ny sary famantarana ny faha 145 taona,
- ny fisakafoanana narahim-panidihizana teny amin'ny Résidence Beaulieu sy ny teny amin'ny Fanj'espace,
- ny rindran-kira niarahana tamin'ny Tarika Ambondrona teo amin'ny CEG Ambohimangakely
- teo ihany koa ny ezaka Tafo izay nifanolorantsika tanana tamin'ny fividianana tapakila
- ny rakitra fahatelo natao isan'alahady teto am-piangonana,
- ny antsankiram-piderana natao tao amin'ny Fiangonana FJKM Atsimon'Imahamasina
- ny fivarotana sakafo natao teto am-piangonana
- ary indrindra indrindra ny tolotra avy amintsika mianakavy

Horaiketin'ny tantara ny fankalazana ny faha 145 taona satria dia hiroso amin'ny Fitokanana ny tsangambato isika ny alahady 15 oktobra 2011 manomboka amin'ny valo ora sy sasany maraina amin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana hiarahana amin'ny Foibe FJKM izay tarihan'i Pasteur Lala Haja Rasendrahasina sy ny Synodam-paritany Antananario Atsinanana tarihan'i Pasteur Philibert Randrianantoanina.
Hisy fiarahana mandray ny fanasan'ny Tompo amin'io ary hisy ihany koa ny fiaraha-misakafo atolotry ny komitin'ny faha 145 taona iarahantsika rehetra.

 
MANDEHANA AMIN’NY FITIAVANA… HIANAREO NO VAVOLOMBELOKO
 
Vavolombelon’ny Tompo tokoa isika, eo amin’ny Fitiavana sy ny Finoana arahana asa.
 
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra.
 
VOKA-DEHIBE
 
Ampahatsiahivina isika fa amin'ny


ALAHADY 12 may 2012

no fotoana ifanomezantsika hanatanterahana ny

VOKA-DEHIBE VOALOHANY

eto Ambatotokana Fitiavana

marihana fa amin'ny 8 ora sy sasany no fanombohan'ny fotoana
TSARA HOTADIDY
 

ANDRO NIAKARANA

Alakamisy 17 may 2012

« fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.  »
(Jaona 14:26)

-----------------------------

PENTEKOSTA 2011

Alahady 27 may 2012

« Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy. »
(Asan'ny Apostoly 1:9)

-----------------------------

Manomboka amin'ny valo ora sy sasany ny fotoam-pivavahana amin'ireo fotoan-dehibe,

Fa amin'ny sivy ora sy sasany isan'alahady

 
Ianao no mpitsidika faha 4 Visiteurs anio